1 Timothy 6

1Aoka ireo rehetra izay ao ambanin’ny zioga toy ireo andevo mba hanao ny tompony ho mendrika ny haja rehetra. Izy ireo dia tokony hanao izany mba tsy hitenenana ratsy ny anaran’Andriamanitra sy ny fampianarana. 2Ireo andevo izay manana tompo mino dia tsy tokony hanao tsinontsinona azy ireo satria mpirahalahy aminy. Fa kosa, izy ireo dia tokony hanompo ireo hatrany hatrany. Fa ireo tompo izay nampiana tamin’ny asan’izy ireo dia mpino sady tiavina. Ampianaro ary ambarao ireo zavatra ireo.

3Hevero fa ny olona dia mampianatra amin’ny fomba hafa ary tsy manaiky ny fanoroantsika ara-pinoana, izay, tenin’i Jesosy Kristy Tompontsika. Hevero fa izy ireo dia tsy manaiky ny fampianarana izay mitondra any amin’ny toetra araka an’Andriamanitra. 4Izany olona izany dia mirehareha ary tsy mahalala na inona na inona. Fa kosa, izy dia adalan’ireo adihevitra sy ireo fandresen-dahatra momba ireo teny. Ireny teny ireny dia miteraka fialonana, fanevatevana, ahiahy ratsy, 5ary ny fifandonana eo amin’ireo olona maloto fisainana. Miala amin’ny marina izy ireo. Mihevitra izy fa ny toetra araka an’Andriamanitra no fomba ahatongavana ho mpanan-karena. [Fanamarihana: Ny fandikana taloha sasany dia manampy hoe: “Miala amin’ny zavatra toy izany”. Fa ny fandikana taloha tsara indrindra dia tsy manampy izany.]

6Ary ny toetra araka an’Andriamanitra miaraka amin’ny fahafaham-po dia tombony lehibe. 7Satria isika dia tsy nitondra na inona na inona amin’izao tontolo izao. Tsy hahavita hitondra na inona na inona isika. 8Fa kosa, aoka isika ho afa-po amin’ny hanina sy ny fitafiana.

9Ary ireo izay te ho lasa mpanan-karena dia latsaka ao anatin’ny fakam-panahy, ao anatin’ny fandrika. Latsaka tao anatin’ny hadalana sy ireo filàna mampidi-doza maro izy ireo, ary ihany koa ireo hafa mandetika ireo olona ao amin’ny faharavana sy ny fandriganana. 10Satria fototr’ireo karazan-dratsy rehetra ny fitiavam-bola. Ny olona sasany izay maniry izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ary nanindrona ny tenan’izy ireo tamin’ny fahoriana lehibe.

11Fa ianao, ry lehilahin’Andriamanitra, mandosira ireo zavatra ireo. Miezaha mitady ny fahamarinana, ny toetra araka an’Andriamanitra, ny fahatokisana, ny fitiavana, ny faharetana ary ny hatsaram-panahy. 12Miadia ny ady tsaran’ny finoana. Hazony ny fiainana mandrakizay fa ho amin’izany no niantsoana anao. Izany dia momba ny nijoronao vavolombelona ny amin’izay inoanao teo anatrehan’ireo vavolombelona maro tamin’izay tsara.

13Izaho dia manome anao izany didy izany eto anoloan’Andriamanitra, izay nahatonga ny zavatra rehetra ho velona, ary eo anatrehan’i Kristy Jesosy, izay nilaza ny marina teo anatrehan’i Pontio Pilato: 14Tehirizo tsara ny didy, tsy manan-tsiny, mandra-pisehon’ny Tompontsika Jesosy Kristy.

15Andriamanitra dia maneho ny fisehoany amin’ny fotoana tokony ho izy_ Andriamanitra, ilay iray izay notahiana, ilay hery tokana, ilay Mpanjaka izay manjaka, ary ilay Tompo izay manapaka. 16Izy irery ihany no manana ny tsy fahafatesana ary mitoetra eo amin’ny hazavana tsy azo hanatonana. Tsy misy olombelona mahita azy na afaka mijery Azy. Ho azy anie ny voninahitra sy ny hery mandrakizay. Amena.

17Lazao ny mpanan-karena amin’izao tontolo izao mba tsy hirehareha, sy manantena ny harena, izay tsy azo antoka. Fa kosa, tokony hanantena an’Andriamanitra izy ireo. Manome antsika ny harena marina rehetra Izy mba hifaliantsika. 18Lazao izy ireo mba hanao ny tsara, mba hanan-karena amin’ny asa tsara, mba alala-tanana, ary vonona hizara. 19Amin’izany fomba izany, dia ho tehirizin’izy ireo ny fototra tsara ho an’ny tenany amin’izay ho avy, ka hihazonany ny tena fiainana.

20Ry Timoty, arovy izay natolotra anao. Hialao ny resaka adala sy ny fandresen-dahatra mifanohitra momba ny fiantsoana diso ny amin’izay atao hoe fahalalana. 21Ny olona sasany dia manambara izany zavatra izany ka dia tsy nahatsiaro ny finoany izy ireo. Ho aminareo anie ny fahasoavana.

Copyright information for PltULB